Fiarovana ny zon’ny ankizy : Mitaky ny fampitsaharana ny tsimatimanota ny PFSCE

Miha mafy ny tsindry mahazo ny ankizy ary vao maika amin’ny fomba feno habibiana ny fisehon’ny herisetra mihatra amin’izy ireo. Mitaky ny fampitsaharana ny tsimatimanota ny fiarahamonim-pirenena izay miaro ny zon’ny ankizy.

Nomarihina tetsy amin’ny Kianja Barea, omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny akizy (Jide), teto Analamanga izay niarahana tamin’ny vovonana misehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy PFSCE.
Ataovy laharam-pahamehana ny zon’ny ankizy, hoy ny fiarahamonim-pirenena manoloana izao hamehana izao. Maneho firaisankina izy ireo manaitra indrindra ny Fan­jakana, ny rafi-pitsarana, ny mpitandro filaminana ary ny olom-pirenena rehetra.
Mitaky fanadihadiana hain­gana, mangarahara ary mahaleo tena momba ny tranga rehetra fakana an-keriny, famonoana olona na fampijaliana mafy ny ankizy izy ireo. Mitaky ny fampitsaharana ny tsimatimanota. Takina ihany koa ny hametrahana sazy hentitra sy mendrika ho an’ireo nahavanon-doza sy ireo mpiray tsikombakomba ami­ny. Fanamafisana ny fiarovana eny ifotony.
Mangataka ny hanomezana tetibola ampy sy tena azo ampiasaina ho an’ireo Tam­bajotram-piarovana ny Ankizy (RPE) sy ireo sampan-draharaha sosialy fototra manerana ny Nosy. Fikarakarana sy fanohanana feno ireo niharam-boina. Miantso ny amin’ny fanomezana fanohanana ara-pahasalamana, ara-tsaina ary ara-pitsarana maimaimpoana sy mitohy ho an’ireo ankizy tafavoaka velona tamin’ny herisetra sy ny fianakavian’izy ireo. Fanentanana sy fandraisana andraikitry ny olom-pirenena. Adidin’ny re­hetra ny fiarovana ny ankizy. Ny olom-pirenena tsirairay, ny mpitarika eny anivon’ny fiarahamonina ary ny fampahalalam-baovao rehetra dia samy manana andraikitra amin’ny famakiana ny fahanginana sy ny fanaovana tatitra momba izay mety ho loza manambana ny ankizy.
Mampirisika antsika amin’ ity taona ity ny lohahevitra iraisam-pirenena mba «Hihai­no ny ankizy, hanome sehatra ny heviny ary hiaro ny zony». Mitaky fandraisana andraikitra maika sy fiaraha-mientan’ny firenena iray manontolo kosa ny zava-misy iainan’ny ankizy sy ny tanora malagasy nandritra ny taona 2026.

Tatiana A

Partager sur: