Ao anatin’ny paikadin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ny manolotra fampiofanana arakasa eny ifotony isian’ny asa mendrika. Nisitraka izany ny kaominina Ivato sy ireo liana tamin’ny fampiofanana niaraka tamin’ny mpiasan’ny kaominina.
Nahaliana ireo mpiasa tena, tsy an’asa, mpianatra, mpampiasa, mpitatitra, mpivarotra, tomponandraikitra samihafa avy ao Ivato, ny fiofanana, fifampizarana sy fampahafantarana ny lalàna momba ny “Asa Mendrika”.
Voaresaka tamin’izany ny fisorohana: ny asan’ny zaza, fandavana ny asa an-terivozona, tsy fanekena ny asa tsy misy fiarovana sy ny asa tsy araka ny lalàna, fandavana ny karama tsizarizary, ny fidirana anaty vondrona mpiahy ara-tsosialy.
Ny Tale sy ny lehiben’ny sampandraharaha teo anivon’ny Fitaleavana Ankapobeny misahana ny Asa eo anivon’ny minisiteran’ny Fampananan’asa, ny asa sy ny Asam-panjakana, MTEFoP no nanao ny fiofanana sy nizara ny traikefany.
Nankasitraka ny fampiofanana nomena ny ben’ny Tanàna, Penjy Randrianarisoa, ary maniry ny hisian’izao fiofanana izao matetika.
Tatiana A





