Fitiavan-tena ny an’ny antoko Tim, araka ny nambaran’ny depiote Rakotoniaina Pety. Nanteriny fa efa maro ny olon’io antoko io napetrak’izao fitondrana izao ao anatin’ny Governemanta. «Mbola tsy afa-po izy ireo, ka mieritreritra fa tokony ho azy indray ny ho filohan’ny Antenimierampirenena», hoy izy.
Tsy manana ahiahy amin’ny mety ho fampiatoana amin’ny asany ny filoham-panjakana sy ny mety ho tsindry ahazoana toerana eo amin’ny governemanta ataon’ireo depiote ny mpanolotsaina manokana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Andriatiana Miarimbita. «Tsy misy idiran’ny Kly Randrianirina Michaël ny zava-misy eny Tsimbazaza», hoy izy.
Manameloka ny fampiasana tsy ara-dalàna ny sarin’ny mpisolovava sy ny mombamomba azy, rehefa atao amin’ny tanjona hanalam-baraka, manoloana ny «Raharaha Ambohimalaza» ny Holafitry ny mpisolovava. Mampahatsiahy koa izy ireo fa tsy manome alalana hanitsakitsahana ny zo sy ny hasin’ny hafa ny fahalalahana maneho hevitra.
Nitondra fanazavana ny depiote Rabenirina Mamy fa anisan’ny kandidan’ny Tim ho filohan’ny Antenimiera izy ary fahafito amin’ireo 10 kandidà. «Voalaza fa kandidà tokana no misy rehefa hanomboka ny fifidianana. Aiza ny hafa? Izaho tsy nisintona ny filatsahako. Misy fenitra ny fanaovana politika ary tsy mampandroso ny tsy fanajana izany», hoy izy.





