Nivoaka ny didy savaranonando mahakasika ny Raharaha Ambohimalaza. Olona enina tamin’ireo 11 nahazo fahafahana vonjimaika. Naverina any am-ponja i Fenohasina sy ny mamany.
Nisongadina tamin’ny fotoam-pitsarana, omaly, ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpisolovava niaro ireo olona 11 voampanga tamin’ny Raharaha Ambohimalaza. Niato teo amin’ny adiny iray mahery teo ny fitsarana taorian’izay. Tamin’ny 5 ora sy sasany hariva, namoaka didy savaravina ny lehiben’ny mpitsara. Olona enina tamin’ireo voampanga no nekena ny fangatahan’ny mpisolovava azy hahazo fahafahana vonjimaika ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Anisan’ izany i Nasandratriniaina Mendrika Lavorary, Ratolojanahary Lalatiana Marinah, Ravoniarisoa Faraniaina Viviane, Rafaliarivo Honoré, Ramaminionja Lanjasoa ary Randriamahatoky Arimisa. Nolavina kosa ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an’ireo olona dimy ambiny dia Randriamanga Clarisse, Razafindravony antsoina hoe Rabebe, Nambinintsoa Jiza Ralison, Rakotoarimanana Mamonjiniaina Fenohasina ary Rakotosamimanana Mamonjiarisoa Olga (renin’i Fenohasina). Nambaran’ny lehiben’ny mpitsara, fa haverina any amin’ny Zokiolona mpitsara mpanao famotorana ny antontan-taratasy rehetra mahakasika ny raharaha satria mbola hisy ny fitadiavana ireo fanampim-baovao sy fanadihadiana fanampiny. Nanendry mpitsara hitady sy hanatanteraka ny fikarohana ny fitsarana.
Afaka efa-bolana
Nahemotry ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava tsotra amin’ny fotoana manaraka, araka izany, ny fotoam-pitsarana, araka ny andininy faha-420 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka. Mbola misy ny fanampim-baovao sy ny fanadihadiana fanampiny izay mbola andrasana, anton’izany. Tanjona ny hahahafana mitady ny marina mahakasika ny raharaha. « Ny fampiatoana ny raharaha no nantenain’ireo mpisolovava tamin’ny famoahana ny didy savaranonando, omaly, fa tsy ny fanemorana ny fotoam-pitsarana », hoy ny Me Ravoavison Veron. Nambarany fa mety any amin’ny volana marsa 2027 indray no hotanterahina ny fotoam-pitsarana manaraka, raha tratra ny fanampim-baovao tadiavina. «Mety hihemotra aorian’izay anefa izany raha mbola tsy feno ny zavatra takina», hoy izy. Nisongadina tamin’ny fotoam-pitsarana koa ny fijerena ireo rakitsary tao anatin’ny Disque dure tany amin’ny zandary. Marihina fa tsy mbola tonga namaly ny antson’ny fampanoavana ho avy eo alohan’ny fitsarana ny zandary mpanao famotorana tamin’ity raharaha ity.
Mino





