BOLO Falinirina: Mpanakanto feno, mamadika ny tsapany ho zavakanto

Andrianaivo Falinirina Mickaël na i Bolo Falinirina, tovolahy 29 taona, mahafehy Zavakanto maro. Mpanakanto feno izy satria sady mpihira, mpanao sary, mpanoratra ary mahay ny lafiny fahandroana sakafo.

Teraka ny 10 desambra 1997 tany Fandriana izy ary mipetraka eto Anta­nanarivo. Tamin’ny 2012 no nanomboka nisehatra tamin’ ny zavakanto, namadika ny tsapany rehetra ho zavakanto. Nihira izy, tamin’ny gadona pop-rock izay tena mifanaraka aminy. Vetivety dia tsikaritra ny talentany. Tamin’ny 2013, nahazo ny amboara voalo­hany izy tamin’ny fifaninanana mozika tany am-pianarana “inter établissement». Tamin’ ny 2014, namoaka hira efatra izy ary nisafidy ny anarany maha mpanakanto : Bolo Falinirina. Nanamarika azy teo amin’ny mozika ihany koa ny nidirany tao amin’ny tarika The Red Lion. Namoaka ny hirany voalohany irery izy, ny taona 2020 ary tamin’io taona io ihany dia nihaona tamin’ny mpihira mpitendry i Biloh. Niaraka namorona fampiaraham-peo izy ireo. “Concert, live, cabaret”, niara-nizara sehatra sy fifankatiavana ara-mozika i Biloh sy i Bolo. Nia­raka tamin’ny tarika Elatra in­dray izy taorian’izay, ny taona 2024. Ankehitriny, efa mihoatra ny hira 40 no ananany.

Ny sary, fitiavana miverina
Liana tamin’ny sary “portrait” i Bolo Falinirina, nanomboka ny taona 2009. Naka pensilihazo izy ary nianatra irery, tamim-paharetana. Ta­min’ny 2013, napetrany kely ny sary mba hifantoka amin’ny zavatra hafa. Tamin’ny 2026, taorian’ireo taona maro ireo, dia niverina izy. Niverina ny pensilihazo, ary miaraka aminy ireo tarehy rehetra tiany ho­tantaraina.
Ny fanoratana, tsy nijanona mihitsy
Nanomboka tamin’ny 2012, tsy nijanona nanoratra mihitsy izy : hira, tononkalo, tantara fohy. Dingana lehibe no vitany tamin’ity taona 2026 ity. Na­moaka tamin’ny fomba ofisialy ny boky voalohany, “Ce que je n’ai jamais dit” na “Izay tsy mbola nolazaiko”. Ankoatra ny fianarana sy ny hainahandro, miaraka amin’ny zavakanto, nanaraka lalam-pianarana hafa sy miavaka ihany koa i Bolo Falinirina. Nahazo ny diplaoma Master 2 amin’ny “Tourisme” sy “Restauration” izy. Ankehi­triny, mivoatra amin’ny hainahandro izy, izay ahitana ihany koa ny fahaizany amin’ny an­tsipiriany sy ny fahaiza-mamorona ao anaty lovia.

Mi.Raz

Partager sur: