Fahombiazana iny ny « Makua Festival » tany Toamasina. Tsy mijanona hatreo, fa hitohy amin’ny « Makua tour 2026 by Bet 261 », koa izany. Hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny seho rahampitso alahady 29 novambra. Nampahafantarina omaly ny andinindinin’ny seho, ka anisan’ireo hanampy an’i Shyn sy Denise eny an-tsehatra ry D-Lain, Ngiah Tax Olo Fotsy, Jack Dad, Tukson, Bob Tobias sy Tefi, sns.
« Vitsivitsy ny mpanakanto handray anjara, noho ireo namana efa anaty fivoahana any ivelany. Misy koa anefa namana tsy ato anatin’ny label Makua no nantsoina handray anjara, satria ifampizarana ilay mozika », hoy ny nambaran’i Denise. « Fahombiazana hatrany ny andiany rehetra teo aloha, fa mbola ho tsara kokoa ny amin’ity », hoy kosa i D-Lain, izay efa nandray anjara tamin’ireo teo aloha.
Ora dimy farafahakeliny ny seho amin’ny alahady. Efa ela no nanomanana izany mba tsy ho mena-mitaha amin’izay efa nisy, raha ny fanamafisana nataon’i Denise hatrany. Tsiahivina fa niato 4 taona ny « Makua Tour », izao niverina izao indray. Mbola hisy toeran-kafa ivelan’Antananarivo sy Toamasina handray ny hetsika.
Zony Aina





