Miara-mientana ny CSI sy ny Bianco ary ny sehatra iraisam-pirenena ho amin’ny fifidianana manaja ny fenitry ny fahitsiana sy ny tontolo politika mangarahara kokoa.
Nifarana omaly, teny Ivandry, ny atrikasa iraisam-pirenena momba ny famatsiam-bola ny tontolo politika. Nanohana izany ny Biraon’ny Firenena Mikambana miady amin’ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava (UNODC). Nifanakalo hevitra ny momba ny fenitra iraisam-pirenena, ny fifanolanana ara-pifidianana, ny famatsiam-bola ny antoko politika ary ny famerana ny fandaniana mandritra ny fampielezan-kevitra. « Anisan’ny paikady izany ny famerana ny fandaniana mandritra ny fampielezan-kevitra sy ny fanaraha-maso ny loharanom-bola », hoy ny filohan’ny CSI, Andriamifidy Jean Louis. Voarakitra ao anatin’izany koa ny fampitoviana ny fandikan-dalàna ara-pifidianana amin’ny heloka momba ny kolikoly, mba hahafahana manasazy izany amin’ny fomba mahomby kokoa. Nanamafy izany ny eo anivon’ny CSI ny mba hananan’ireo teknisianina ny fahafaha-manao ilaina hamolavolana rafitra ara-dalàna matanjaka sy mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena. « Tsy haharitra ny fanavaozana raha tsy miara-mankatoa ny sori-dalana harahina ireo mpisehatra rehetra voakasika », hoy ihany izy. Nanterin’izy ireo fa tokony hampiroborobo ny kolontsain’ny tamberin’andraikitra sy ny fahitsiana, ireo tompon’andraikitra ara-politika sy ny fanjakana ary koa ny eo anivon’ny fitsarana.
Fifidianana azo antoka
Nampita ny traikefa tamin’ izao atrikasa izao ny manam-pahaizana iraisam-pirenena, notohanan’ny UNODC. Nampahafantatra ireo fomba fanao tsara avy amin’ny firenena samihafa sy ireo vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara izy ireo. Tanjona ny hiantohana ny maha ara-drariny, ny mangarahara ary ny maha azo hitokiana ny fifidianana ho avy, amin’ny alalan’ny fiantohana ny fitovian’ny vintana eo amin’ireo kandidà.
Synèse R.





