Tontosa tamin’ity herinandro ity tao amin’ny CHU-JRA sy CHU-JRB ny fanolorana fanomezana avy amin’ny ONG Miahy, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ ireo mpiara-miombon’antoka sy mpanao asa soa avy any Frantsa. Sampan-draharaha maromaro no nisitraka ny fitaovana ahitana cannes anglaises, attelles isan-karazany, bandes, fitaovana fanampiana amin’ny taovam-pisefoana ho an’ny fameloman’aina ary kojakoja ara-pitsaboana isan-karazany ireo fanomezana ireo.
Natao omaly ny fanazaran-tena mahakasika ny fivoahan’ny entona amoniaka na « fuite d’ammoniac » novolavolain’ny BNGRC sy ny orinasa Ambatovy. Nandrefesana ny fahombiazan’ny drafitra natao handrindrana sy hitantanana raha misy tranga na loza manodidina ny orianasa Ambatovy izany. Fomba fiasa sy fandraisana andraikitra avy amin’ireo mpiantsehatra ara-panjakana maro miaraka amin’ny orinasa Ambatovy no notarifina nandritra ny fanazaran-tena.
Nandefa fampitandremana miloko mena amin’ ny hamafin’ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraky ny faritra Androy sy Anosy ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Nanomboka halina hatramin’ny alahady maraina ny fampitandremana.





