Mpanabe olon-tsahala : Tanora manana fahasembanana 40 nofanina

Tanora manana fahasembanana 40 avy amin’ny faritra efatra no niofana momba ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana sy ny teknika momba ny serasera miantefa amin’ny rehetra.

Hifarana amin’ity volana ity ny fandaharanasam-piofanana notantera­hina tamin’ny faritra efatra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Atsi­nanana izay nosantarina ny volana jona lasa teo. Fanama­fisana ny fahaizamanaon’ny mpanabe olon-tsahala 40 manana fahasembanana no notanterahina nandritra ny dimy volana tamin’ireo faritra voalaza. Voasolontena tao avokoa ny sokajim-pahasembanana rehetra misy : ara-batana, manana olana ara-pahitana, manana fahasaro­tana amin’ny fahenoana, olona manana toe-tena varira, autiste…
Tanjon’ny fanofanana ireo mpanabe olon-tsahala ny hanampy azy ireo ho lasa mpitarika eny anivon’ny fiarahamonina misy azy avy. Maro ny olona manana fahasemba­nana tsy misitraka vaovao momba ny fahasalamana sy zo ara-pananahana (DSSR), tsy vitsy koa no misedra fanilikilihana ka hanohana azy ireo ny fisian’ny mpanabe olon-tsahala.
Nandritra ny fiofanana, maro ny lohahevitra niompanan’ny fifampizarana. Nam­pianarina nampiasa ireo fitaovam-pampianarana samihafa mifandraika amin’ny fahasembanana misy izy 40 miana­dahy. Natoro azy ireo ny fomba tsotra sy ny fihetsika hampitana hafatra arakaraka ny sokajim-pahasembanana voakasika. Nampianarina hitily sy hitoroka ny trangana herisetra indrindra ny herisetra ara-pananahana ny mpiofana. Hiara-hiasa amin’ny tomponandraikitra eny ifotony ireo mpanabe olon-tsahala hametraka rafitra fiarovana mano­lana ny herisetra mianjady amin’ny tanora manana fahasembanana.
Tafiditra amin’ny tetikasa M’iray 2.0 ny fanofanana ka ny Mouvement pour le difference (Autisme teo aloha) no manatanteraka azy. Manohana kosa ny AmplifyChange.

Vonjy

Partager sur: