Tanora mpikaroka sy mpandraharaha miisa 15 no nitady ny fomba hampiroboroboana ny angovo azo havaozina. Hisitraka izany ny tokantrano maro.
Anisan’ireo fanamby lehibe eto Madagasikara ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina sy ny fahafahan’ny tokantrano hisitraka izany. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Gara Soarano, ireo tetikasa 15 voafantina tao anatin’ny fandaharanasa « Financement intégré pour l’énergie durable (Fier) ». Fiaraha-misan’ny SCG Fund, ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud), ny Tahirimbolan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana lovainjafy (UNCDF) ary ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny indostria (Onudi) hanohanana ireo tetikasa momba ny angovo azo havaozina miantraika mivantana amin’ny tokantrano. Hisy ny tantsoroka omen’ny Incubateur d’énergie durable (IED) an’ireo mpandraharaha mandritra ny efa-bolana ary hisitraka tohana ara-bola kosa ny tetikasa mendrika indrindra. Hojerena manokana ny fahombiazan’ny tetikasa sy ny faharetany. « Tanjona ny hahazoan’ny tetikasa mamokatra sy maharitra ao anatin’ny fandraharahana », hoy ny solotenan’ny Onudi eto Madagasikara, Rakotondrazafy Vola. Notsindriny manokana ny hanafainganana sy ny hahafahan’ny vahaoaka malagasy misitraka ny angovo azo havaozina sy ny fampiroboroboana ny fandraharahan’ ny tanora.
Samihafa
Azo itarina amin’ny manodidina ny tetikasa, noho izy misandrahaka amina sehatra marolafy toy ny famokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, ny fanodinana ny fako ho lasa angovo (Biogaz) hikarakarana sakafo hanenana ny fampiasana ny kitay sy saribao. Eo ihany koa ny arina biolojika izay azon’ny orinasa ampiasaina.
« Manampy amin’ny fikarohana sy ny fandraharahan’ ny tanora ny hetsika, ho fanampiana ny daholobe hisitraka angovo », hoy ny tale jeneralin’ny angovo, eo anivon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, Ramiandrisoa Sandratra.
Henintsoa Hani