Ankazobe : may ny manodidina ny alan’Ambohitantely

Niredareda ny afo, omaly, manodidina ny tahirin’ala Ambo­hitantely, distrika Ankazobe. Tonga hatrany amin’ny sisin’arabe ny afo ka sarotra ny fifamezivezena, araka ny loharanom-baovao any an-toerana. Maty tanteraka kosa ny afo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Foibem-pirenena fanofanana teknisian’ny ala (CNFTF) Angavokely.
Tafiditra tanteraka anatin’ny vanim-potoan’ny haintany isika izao, fotoana mampirongatra ihany koa ny doro tanety. Antony voalohany manimba ny tontolo iainana ny doro tanety ataon’ny olombelona izay mifototra amintsika ihany.
Tsiahivina fa nirehitra nanomboka ny alatsinainy 9 septambra teo ihany koa ny tahirin’ala eny Angavokely, distrika Manjakandriana. Nafana ny andro, nitsoaka ny rivotra ka nananosarotra ny namonoana azy. Niisa 27 ny lohan’afo hita ary tombananana fa mety niniana natao ity tranga niseho tao Angavokely ity.
Marihina fa nihetsika daholo ny fokonolona sy ny komitin’ ny ala sy ny tontolo iainana ary ny mpiofana sy ny mpiasa ao CNFTF.

Henintsoa H.

Partager sur: