injenera vaovao 97: hitondra ny anjara birikiny

Miampy 97 indray ireo injenera navoaka’ny Sekoly am­bony momba ny hay famokarana sy ny Zava-boary (ESSA) eny anivon’ny Oniversiten’An­tananarivo. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ireo andiany « Andrarangy, Mahasedra ». Vondrona manam-pahaizana sy hitondra ny an­jara birikiny amin’ny fampandrosoana ny famokarana. Matoky, araka izany, ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana fa vonona hanolo-tanana, hanarina sy hampandroso ny famokarana eto amin’ny firenena ireto tanora ireto, izay hiankinan’ny fiainan’ny 70% ireo mponina eto Mada­ga­sikara.

Famokarana

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiantohana ny hoavin’ny famokarana eto Madagasikara ireo tanora injenera mivoaka eny amin’ny ESSA. Midadasika sy mbola ahitana sehatra maro azo trandrahina ny faritra ambanivohitra raha ny eto amin’ny firenena izay ivon’ny fanamby miandry ireo injenera vaovao miisa 97. Ireto farany izay vo­nona ny hiatrika ny fanamby amin’ny famokarana sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’i Madagasikara. Araka izany, andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny fananan’ ireo injenera fahaiza-manao sy fahalalana amin’ny sehatry ny famokarana maharitra. Na izany aza, ilaina ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hanolotra vahaolana maharitra sy maharaka ny fanamby goavana mitranga eto amin’ny firenena.

Henintsoa H.

Partager sur: