Morafenokely Maevatanana : nohavaozina ny biraom-pokontany

Vita tanteraka, ny sabotsy teo, ny fanavaozana ny biraom-pokontany ao Morafenokely Maevatanana rehefa tsy nisy fanatsarana nandritra ny 40 taona nijoroany. Nandray an-tanana ny asa rehetra ny fi­kam­banana Zarasoa. Anke­hitriny, voaloko tanteraka ny birao, voasolo ny valintafo sy ny rakotany, nosoloina avokoa ireo varava­rana rehetra. Na­siana takelam-pamantarana ny biraom-pokontany raha mbola tsy nisy izany teo aloha. Vaovao sy manaraka ny fe­nitry ny biraom-panjakana ny biraom-pokontany ao an-toerana. Nasiana sainam-pirenena manoloana ny birao rehefa tsy nampiasaina nandritra ny taona maro ny tongon-tsaina. Namboa­rina ihany koa ny jiro ao amin’ ny biraom-pokontany rehefa tsy nandeha aman-taona maro. Asa niarahan’ny fikambanana sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.
Amin’ny maha Fikambanana mpanao asa soa azy, tsy manao politika, tsy manavaka foko na finoana ny fikambanana Zarasoa. Ma­nabe olom-pirenena vanona sy mampianatra ny fahaiza-miaina ny mpiara-belona izy ary manao izay tratrany manampy ireo sokajin’olona sahirana. Tsi­ahi­vina fa efa nanolotra seza miisa 10 ho ampiasain’ny fokon­tany Morafenokely ny fikambanana Zarasoa, ny 24 aogositra teo.
Ankoatra izay, nanolotra jiro mandeha amin’ny herin’ny ma­soandro miisa roa ho an’ny fokontany Ambatofotsy, ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Maevatanana ihany koa ity mpanao asa soa ity. Tamberin’ adidy amin’ny maha zanaka am-pielezana avy any an-toerana no nanaovana ny asa fanavaozana ny biraom-pokontany.
Nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny biraom-pokontany ny filoha nasionalin’ny Fikam­ba­nana, Andriambeloniaina Zara­soa, sy ny mpandrindra ny fi­kambanana ao amin’ny distrika Maevatanana, Andriambelo­niaina Faliarisoa.

Henintsoa H.

Partager sur: