Nampahafantarina omaly, ireo orinasa 6 tantanin’ny tanora, mendrika tamin’ny fifaninanana “Loka Castel 2024”. Nanatrika ny fotoana ny tale jeneralin’ny Star, Matthieu Seguin. Tanjona ny hanohanana ny fandraharahana isaky ny firenena, ka misy ny tohana ara-bola sy fanofanana, hanamafisana ny fahaiza-mitantan’ireo tanora mpandraharaha misehatra amin’ny fambolena sy ny indostria eto Madagasikara. Nahazo ny laharana voalohany, ny Riz Golo, avy amin’ny kaoperativa Tanamasoandro, nentin’Andrianina Hanitriniaina, amin’ny famokarana sy fivarotana vary masaka, nahazo 15 000 euros. Faharoa ny Bio source farm, nentin-dRasolomampionona Tendry, fanangonana fako organika sy fiompiana lalitra miaramila, nahazo 10 000 euros. Tetikasa nankasitrahan’ny mpitsara manokana, ny Moly company, nentin-dRanjalahy, manangona, manodina ary mivarotra kafe, nomena 5 000 euros. Loka tanora “Jeunes espoirs” no azon’ny Zoahary baobab, nentin-dRakotondramanana Voahary, manodina sy mivarotra vovoka sy menaka baobab, nomena 1 650 euros. Hatolotra any Alzeria sy Côte d’Ivoire ny lokan’izy ireo.
Njaka A.