Mitotongana ny vola malagasy, nisanda 5 000,32 Ar ny euro iray, araka ny tarehimarika tao amin’ny tranokalan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), omaly. Niainga 4 988,00 Ar izany omaly tamin’ny 11 ora maraina. Tafakatra 5 000,32Ar tamin’ny fifanakalozam-bola, nikatona tamin’ ny 3 ora tolakandro, araka ny tarehimariky ny BFM.
Tao anatin’ny iray volana, nanafosafo ny 5 000Ar ny euro iray ary efa niantraika teo amin’ny vidim-piainana andavanandro ny zava-nisy. Ankehitriny, eo anelanelan’ny 3 200Ar ka hatramin’ny 3 500Ar ny kilaon’ny vary eny an-tsena. Manahy amin’ny fiakaran’ny fanafarana entana ihany koa ireo mpandraharaha noho ny fitotonganan’ny vola malagasy. Ity farany izay hiantraika mivantana eo amin’ny sarambabem-bahoaka. Iray volana lasa izay, nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola fa nihena ny fampiasana ny euro eto amintsika raha oharina amin’ny dolara. Manodidina ny 170 miliara euro, hoy izy, ny vola nivezivezy teto Madagasikara tao anatin’ny telo volana raha tafakatra 1 000 miliara dolara kosa izany ho an’ity vola amerikanina ity.
Henintsoa H.