VAOVAO TAMBATRA

Milanja 125 300 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara nandritra ny enim-bolana voalohan’ny taona, izany hoe, nihena mihoatra ny 50% raha oharina ny tamin’ny taona 2023, izay nahatratra hatrany amin’ny 269 600. Mitentina 316,4 miliara Ar ny totalimbidin’ireo fanafarana, raha tafakatra hatrany amin’ny 511,4 miliara izany tamin’ny taon-dasa. Tombanan’ny FAO fa mila manafatra vary 430 000 taonina i Madagasikara ho an’ny taona 2024-2025.

Manomana vola 4 tapitrisa dolara atokana ho an’ny tetikasa RSE ny QMM izay hiakatra 2% isan-taona. Ny 3,5 tapitrisa dolara no ampiasaina ho an’ireo kaominina voakasiky ny tetikasa fitrandrahana sy ny faritra Anôsy, ka 1,75 tapitrisa dolara avy izany. Hiompana amin’ny tetikasa fanabeazana, fahasalamana ary fampandrosoana ny seha-pihariana ny vola atokana ho an’ireo kaominina. Hisy ny tetikasa fanatsarana ny famatsian-drano fisotro madio ao amin’ny faritra Anosy raha natokana ho an’ny fanarenana ny ala sy fiarovana ny tontolo iainana ny 500 000 dolara.

Nametrahana ivontoeram-panandramana masombolin’Ampemba ao Ankililaoky, faritra Atsimo Andrefana, hanohanana ny fambolena azy sy hanampiana ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mahazaka haintany sy rivotra mahery any an-toerana ny ampemba ka heverina fa hahasoa raha oharina amin’ny voly vary sy katsaka. Mahazaka hafanana sy bibikely ireo karazana ampemba atao any an-toerana.

Partager sur: