Nampahafantarina afakomaly, teny amin’ny foiben’ny Banky iraisam-pirenena Anosy, ny fandaharanasa We Finance Code (WeFi Code). Hanohana sy hanampy ny famatsiam-bolan’ny vehivavy mpandraharaha ary hamorona asa marin-toerana sy maharitra ny tetikasa.
Iray amin’ireo firenena sivy aty Afrika hanatanterahana ny fandaharanasan’ny Banky iraisam-pirenena «Woman Entrepreneurs Finance Initiative Code» (WeFi Code) i Madagasikara. Tetikasa izay mikendry ny hampitomboana ny famatsiam-bola ho an’ireo orinasa tantanin’ny vehivavy. Eo ihany koa ny hanamafisana ny fahaiza-mitarik’ireo vehivavy mpandraharaha ary ny hampitomboana ny famoronan’asa marin-toerana sy maharitra. « Tanjona ny hampidirana firenena maro maneran-tany ao anatin’ny vovonana», hoy ny tomponandraikitry ny fitantanam-bola sy ny fifaninanana ary fanovana eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena, Consolate K. Rusagara. Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, fa « manomboka miroso amin’ny fandraharahana ny vehivavy. Hanampy amin’ny fahazoana famatsiam-bola ireo orinasa tantaniny sy ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany ny fandaharanasa ». Dingana vaovao ho an’ny fahaleovantena ara-toekaren’ny vehivavy malagasy ny WeFi Code.
Mpandraharaha
Mahatratra 47% ireo vehivavy mpitantana orinasa madinika sy salantsalany eto amintsika. Fanamby goavana hatrehin’izy ireny ny fahazoana famatsiam-bola. Nivoitra tao anatin’ny fanadihadian’ny Banky iraisam-pirenena fa 61% ny taham-pangatahana famatsiam-bola eny anivon’ ireo sampandraraharaha ara-bola madinika (microfinance) nataon’ireo vehivavy nandritra ny taona 2024 ka maro tamin’izy ireo no tsy nisitraka izany.
Ankoatra izay, miisa efatra ireo vehivavy mpandraharaha voasafidy tao anatin’ny WeFi Code Madagascar, ny filohan’ny (GFEM) Razakaboana Fanja, ny tale jeneralin’ny Caisse d’épargne de Madagascar (CEM), Ranaivoharisoa Rinah, ny sekretera jeneralin’ny Association professionnelle des institutions de microfinance (APIMF), Rakotomaharo Fanjaharivola, ary ny talen’ny vovonana ho an’ny fampiroboroboana ny orinasa madinika sy salantsalany (PME) eo anivon’ny BNI Madagascar, Rakotovao Hanta. Nasongadin’izy ireo ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola ho an’ny fandraharahan’ny vehivavy ka vonona hanohana ny vehivavy hiditra ao anatin’ ny WeFi Code ireto mpandraharaha ireto.
Henintsoa Hani