Ambohipihaonan’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fizahantany eto Madagasikara, hanamafisana ny maha zava-dehibe ity sehatra ity sy hanehoana ireo olana sy fanamby atrehiny ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany (JMT) natao tany Antsirabe, ny 26 sy 27 septambra teo. Nasongadina nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpisehatra samihafa sy mpandraharaha eo amin’ny fizahantany ireo vina sy fanamby hampiroboroboana ny fizahantany sy ho fampahafantarana an’i Madagasikara.
Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ihany koa ny fahazoan-dalana ho an’ireo mpandraharaha amin’ny fizahantany ao amin’ny faritra.
Ankoatra izay, vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisitera sy ny FMFP izay mikendry ny hanatsarana ny fahaizan’ireo mpisehatra sy ny mpanao asa tanana amin’ny alalan’ny fiofanana isan-karazany. Voaresaka nandritra ny fihaonan’ny minisitra Viviane Dewa sy ny ofisim-paritra misahana ny Fizahantany ary ireo talen’ny Fizahantany sy ny asa tanana avy amin’ny faritra ireo vahaolana ho amin’ny fampandrosoana ny fizahantany sy ny asa tanana isam-paritra. Tanjona tao anatin’ny « team building » niarahan’ireo mpisehatra ny hanamafisana ny firaisankina sy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo matihanina isan-tsokajiny.
Henintsoa H.