“Miss Madagascar 2023”: ho fantatra amin’ny faran’ny taona ny mpifaninana rehetra

Ny fiafaran’ny volana desambra 2022 no hahafantarana ny mpandray anjara rehetra amin’ny fifaninanana “Miss Madagascar 2023”,  araka ny nambaran’ny ny mpikarakara. Faritra vitsy sisa no mbola ao anatin’ny fifaninanana ahafantarana ny ho solotenan’izy ireo. Ny faritra 23, miampy ny diaspora no andrasan’ny mpikarakara hifaninana ao anatin’ny “Miss Madagascar 2023”.

Vatany vao nifarana ny andiany farany dia efa nanomboka nanomana ny fifaninana “Miss Regionale ” ny mpikarakara isaky ny faritra. Ny fiafaran’ny volana oktobra 2022 no efa nanomboka ny fampahafantarana fisoratana anarana isaky ny faritra. Nisantatra ny fifantenana izay hisolo tena ny faritra misy azy ny faritra Ihorombe sy Menabe ary Fitovinany. Isan’ny  fantatra vao haingana kosa ny an’ny faritra Analamanga sy Boeny. Isan’ny faritra mbola ao anaty fifantenana ny hisolo tena azy ny faritra Sava.

Vinan’ny mpikarakara ny hahita  tovovavy 24, hifaninana izay handimby an’i Antsaly Rajoelina, voafidy ho “Miss Madagascar 2022”, nisolo tena ny faritra Analamanga tao antin’izay fifaninanana “Miss Madagascar 2022”.  Izay voahositra ho “Miss Madagascar 2023″no hisolo tena an’i Madagasikara ao anatin’ny “Miss World 2023” andiany faha 72. Marihina fa hitsarana ny mpifaninana ihany koa ny fahaizana sy fahalalana, ankoatran’ny bika sy tarehy.

Lin

Partager sur: