Arivonimamo : mirona amin’ny fambolen-kazo sy ny fitsitsiana angovo

Manana paikady mahomby ny tetikasa Diabe, hiarovana ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fambolen-kazo sy ny fampiasana fatana mitsitsy.

Mifantoka amin’ny fampiofanana sy ny fampitaovana amin’ny lafiny tontolo iainana ny tetikasa Diabe. Anisan’ny nisitraka izany ny fikambanam-behivavy ao amin’ny fokontany Man­jakazaza, kaominina Ambohi­trambo, distrika Arivonimamo. Nilaza Razafiarisoa Elisabeth, fa «maro ny tohana azony, toy ny zanakazo an’arivony isa. Eo koa ny zezika, ny masomboly ovy sy tsaramaso, sns. Nahazo fiofanana ara-teknika izahay amin’ny fambolen-kazo sy ny fambolena legioma ary lelavola hanampiana amin’ny fampiharana. Toy ny fampiasana ny ala vadim-boly na koa ny fifandimbiasam-boly. Efa misy maherin’ny 2 metatra ny haavon’ny hazo novoleko izao, tao anatin’ny efa-taona. Nisy tamin’ireo zanakazo anefa tsy naniry hatramin’ny farany, satria tsy nahazaka toetr’andro mafana ny sasany».

Tombontsoa azon’izy ireo amin’ny fambolen-kazo ny fananana hazo azo hanaovana trano, kitay, miaro ny fikaohan’ny riaka ny nofontany. Manampy ny sakafo kosa ny voly tsaramaso sy ovy, sady manampy amin’ny fidiram-bola.
Fatana Kamado
Zava-baovao any Ambohi­trambo koa ny fampiasana ny fatana Kamado. Nohazavain-dRandriamanantsoa Richard, mpitarika ny tetikasa Diabe any an-toerana, fa mihena 30% ny kitay na saribao lany amin’ny fampiasana azy ity satria mitahiry hafanana ela kokoa. Fokontany 4 no efa mampiasa azy ao amin’ny kaominina, ary misy aza ny efa mivarotra ilay fatana. Afangaro ny tanimanga, lavenona, tany mena ary mololo, tahirizina mandritra ny 1 andro. Angovo ampiasaina ny vovoka saribao afangaro amin’ny vovoka tain’omby, atao bolabola. Maharitra herinandro vao lefy ny heriny.
Ao anatin’ny fandaharanasa Afafi Afovoany ny tetikasa Diabe, tohanan’ny Fanaha­ra­nasam-pirenena enti-manondro sy ny Tahirimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed).

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: