Natao omaly 29 septambra, tany Grèce, ny andro farany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena robotika, “First Global Challenge”. Miisa 4 mianadahy ny tanora malagasy nisolo tena an’i Madagasikara. Taorian’ny fihaonana nisesy, azon’i Madagasikara ny voalohany, nandrombahana ny medaly volamena. Nizara ny hafaliany i Mariah, nilazany fa «tena faly tokoa izahay amin’izao fandresena izao. Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara ny nahazoana medaly voalohany izay sambany nisian’izany. Nitaintaina hatrany izahay satria miaka-midina ny isa azo, ilay antsoina hoe «ranking». Nahay niara-miasa anefa ny ekipa tamin’ny «alliance» sy ny «contre alliance», ka nety tsara ny lalao, nahazoana isa maro.
Saika firenena matanjaka avokoa ny ankamaroan’ireo nandray anjara tany Grèce. Anisan’ny firenena nihaona tamin’i Madagasikara ary resintsika i Frantsa, Etazonia, ny firenena mpampiantrano, sns.
.
Njaka A.