Fandaharanasan’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad) natsangana ny taona 2020 ny Fampandrosoana ny orinasa madinika sy salantsalany (MPME). Natao hampiroboroboana ny toekarena sy namoronana asa ho an’ny tanora sy ny vehivavy. Napetraka ny tetikasa SME Business Linkage Program (SME BLP), izay nahatratra 1 tapitrisa UC ny tetibola novatsian’ny Bad. Miisa 300 ny orinasa PME nisitraka ny tetikasa manerana ny faritra 18. Miompana amin’ny fandraharahana amin’ny fambolena (agribusiness) ny 40% izy ireo, tolo-draharaha ny 25%, ka tantanin’ny vehivavy ny 46%, ary 36% tanora.
Nanazava Rakotovao Sandrine, tomponandraikitry ny fandaharanasa ao amin’ny Bad, fa nisy ny fampiofanana sy ny tantsoroka nanatsarana ny fitantanana orinasa. Eo koa ny fanamorana ny lalambarotra, nananganana ny Vovonana niomerika mampifandray ny mpandraharaha amin’ny tolotra sy ny tinady. Nofaranana ny zoma 27 septambra teo, ny tetikasa SME BLP ity, izay natomboka ny taona 2020. Nilaza ny minisitry ny Indostria sy ny varotra Ralambofiringa David, fa zava-dehibe ny natao satria paikady iray entina hampiroboroboana ny fandraharahana ara-toekarena. Hanomboka amin’ny fiandohan’ny taona 2025 ny fiantsoana ireo orinasa liana amin’ny hisitraka ny tohana, amin’izay tetikasa harosony. Manohana amin’ny lafiny fiantohana ara-bola ny Solidis, ary efa nanome ny fankatoavany ny EDBM.
Njaka A.