Seha-pihariana miroborobo ny fiompiana ombivavy beronono. Anisan’ny faritra iasan’ ny tetikasa Profilait, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Afafi Afovoany, ny eny Ambohijafy sy Beronono Imerintsiatosika.
Fahombiazana! Nivoatra ny fari-piainan’ny mpiompy nisitraka ny tetikasa Profilait, fandaharanasa hampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono, vatsian’ny Tahirimbola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (Fed) ara-bola. Anisan’izany Randrianarison Rolland, mpiompy ombivavy beronono eny Ambohijafy, kaominina Fenoarivo, distrika Antananarivo Atsimondrano. Tohana azony ny fiofanana ara-teknika, vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, miampy fitaovana madinika (siny alminioma, fitiliana, borety, sns). Misy ahazoana ronono 26 l/andro ny ombivavy vaventy iray, raha 13 l/andro talohan’ny tantsoroky ny Profilait. Manodidina ny 50 l/andro ny salanisan’ny ronono azo, miampy ny an’ny mpiompy hafa, ka mahatratra 210 l- 300 l/andro ny amidy . « Amidiko 2 200 Ar ny litatra ho an’ny orinasa 3è mi-temps eny Anosizato », hoy ihany izy.
Angovo Biogazy
Mpiompy eny Ambohijafy ihany koa Razafindrajery Hanitra Lalao. Nambarany fa, « nanasa lamba no nataoko taloha, nangoniko nividianako vorona, gana ny karamako ary navadiko ho ombivavy avy eo. Nanohana ahy ny Profilait, niofana ara-teknika sady nahazo fitaovana. Mahazo ronono 40-45 l/andro, amidy 2 500 Ar/l any Ambodin’Isotry aho. Nahavita nanamboatra fatana mandeha amin’ny entona biogazy avy amin’ny tain’omby ka tsy mampiasa kitay na saribao intsony ».
Kaoperativa, ahitana mpikambana 18, kosa ny Amboara Fanantenana (Afa) eny Beronono Imerintsiatosika. Nahazo fiofanana sy fitaovana (siny, fitaovana fikarakarana, masomboly vilona, sns). Mpikambana sady mpanentana Profilait Raoelina Manantenarivelo Alban. Mamokatra ronono 100 l/andro ny Afa, amidy 2 000 Ar/l. Nambarany fa tombony ho an’ny kaoperativa ny mora mahita lalam-barotra sy mpiara-miombon’antoka.
Njaka Andriantefiarinesy