Mamelona fianakaviana an’arivony sy mampidi-bola amina tokatrano maro eto Madagasikara ny jono. Manodidina ny 200 000 taonina isan-taona ny vokatra eto amintsika saingy 20 000 taonina monja ny aondrana.
Mbola ambany ny fampidiram-bola azo avy amin’ny jono eto Madagasikara izay tsy misy afa-tsy 7% ny harinkarena faobe. Tanjona ny hampiakarana izany ho 16%. Kitro ifaharan’ny fampandrosoana rahateo ny jono ary mandray anjara feno amin’ny fampiroboroboana ny toekaren’ny firenena. Manodidina ny 200 000 taonina isan-taona ny vokatry ny hazandranomasina misy saingy mbola ny 20 000 taonina ihany no mbola miondrana any ivelany ka lohalaharana amin’ireo ny lamatra sy ny patsabe. Ireo no nivoitra nandritra ny hetsika Tsenaben’ny hazandrano andiany fahefatra tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. « Ny taona 2023, manodidina ny 967 mliara Ar ny vola azo tamin’ny fanondranana hazandrano » hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Nomarihiny kosa fa maherin’ny 100 000 ny mpanjono manerana ny Nosy, maherin’ny 30 000 ireo efa nisitraka karatra maha matihanina.
Paikady
Misy ny paikady apetraky ny minisitera enti-manatanteraka ireo vina samihafa hampiakarana ny famokarana sy hanatrarana ny fanjarian-tsakafo ary ho loharanon-karena ho an’ny tokantrano. Imasoana manokana ny fiompiana anaty rano hanampiana ny tahan’ny fihinana trondro isam-batan’olona eto Madagasikara, izay mbola ambany tanteraka. Tanjona ny hahatonga izany ho 11 kilao isan’olona, isan-taona, raha mbola 7 kilao isan’olona, isan-taona, izany amin’izao fotoana. Ankoatra izay, misy ny fiofananaa isan-kazarany hampiroboroboana ny lalam-pihariana sy hampirisihina ny olona hisehatra ao anatin’ny lalam-pihariana.
Tsiahivina fa ambohipihaonan’ireo mpisehatra rehetra ny « Tsenaben’ny hazandrano » farany teo. Lohahevitra tamin’ity taona ity ny « Hazandrano, antoky ny fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara ».
Henintsoa Hani