Seha-pihariana cacao: mampiroborobo ny fizahantany

Mampitombo isa ny mpizahatany ho avy eto amintsika sy mampidi-bola ho an’ny tantsaha ny fandaharanasa Circuit de Cacao de l’est de Madagascar. Manana traikefa sy mampiroborobo izany ny tetikasa Ala Cao ao amin’ny distrika Mananjary, faritra Vatovavy. Mamboly cacao sy mamerina ny ala amin’ny manodidina ireo tantsaha ka velaran-tany 500 ha no hanantanterahana ny asa. Mahatratra hatrany amin’ny 800 isa kosa ireo tantsaha mifanotrona ao anatin’izany. Nikaroka hevitra sy namadika ny vokatra ho sehatr’asa azo trandrahina tsara ho amin’ny fizahantany sy hampidi-bola ho an’ny tantsaha ny tetikasa. Hanampy betsaka ny mpamboly ny tetikasa noho izy mampiantra sy manofana azy ireo hitrandraka sy hioty ny vokatra.
Ankotra izay, hisokatra ho an’ny mpizahatany ihany koa ny orinasa mpanao divay avy amin’ny cacao any an-toerana. Tanjona ny hahitan’izy ireo sy hamantarany ny fanodinana ny vokatra. Etsy ankilany, misy ny tolotra « relaxing experience » hahafahan’ireo mpizahatany miaina ao anatin’ny tontolon’ny sokolà. Hita ao anatin’izay avokoa ny fikarakaram-batana samihafa, ny fisotroana dite avy amin’ny cacao hahitany ny hatsaran’ny vokatra mampiavaka ny Nosy malagasy. Manambatra ireo tolotra rehetra voalaza etsy ambony kosa ny « full experience » miampy fitsangatsangana eny amin’ny reniranon’i Pangalane.
Marihina fa mitana ny laharana voalohany amin’ny hatsaran’ny vokatra cacao maneran-tany i Madagasikara izay manana label 100% bio. Kely ny vokatra saingy tsara kalitao indrindra sy nahazo mari-pankasitrahana ny vokatra malagasy.

Henintsoa H.

Partager sur: