Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny lisitr’ireo mpikatroka hifantenana hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, taranja Jiu-jitsu breziliana “World Championship”. Fifaninanana izay hatao any Abu Dhabi, ny 6 hatramin’ ny 16 novambra izao. Mpikatroka 24 no voaantso amin’ izany ary hiatrika fampivondronana voalohany ny alarobia 2 oktobra izao, araka ny fandaharam-potoana navoakan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Jiu-jitsu breziliana. Eny amin’ny Dojo Chekmat Madagascar Antaninandro no hanatanterahina io fampivondronana io. Natao iray volana mialoha mihitsy, araka izany, ny fampivondronana. Tanjona ny hahafahana manomana tsara ireo atleta malagasy. Eo koa ny hahazo vokatra tsara mandritra ity fifaninanana maneran-tany ity. Nomarihin’ ny federasiona fa misy atleta 8 vonona hianto-tena saingy miaraka miatrika fampivondronana avokoa izy 24 mianadahy. Eo an-dalam-pitadiavana mpanohana kosa ny federasiona sy ireo atleta hanampy azy ireo hiatrika ity fifaninanana goavana ity. Tsiahivina fa tamin’ny alalan’ireo fifaninanana natao teto an-toerana hatramin’izay no nahafahana nisafidy ireto mpikatroka havondrona ireto.
Mi.Raz
Ireo hiatrika fampivondronana
Andy (Checkmat), Zo Aina (Guerreros), Tsinjo (One Tribe), Nofy (Checkmat), Diary (Southside), Fifaliana (One Tribe), Tafita (Guerreros), Bryan (Check-mat), Mikaia (Southside), Yusha (Attila), Jeremia (Combat Club), Voady (Guerreros), Mathieu (Estrela), Saïda (Southside), François (BJJ Esca), Avotra (One Tribe).
Mianto-tena: Willy (Checkmat), Chafik (Checkmat), Nomasy (Checkmat), Aiky (Checkmat), Tsiresy (Checkmat), Adriano (Guerreros), Christian (Guerreros), Tsivery (Guerreros).