Ho fiatrehan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy (JIO 2023), hisy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra (Mada 2022). Fihaonana, hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahatena Mahamasina, ny 5 – 8 janoary 2023 ho avy izao.
Tanjona amin’izany fifaninanam-pirenena izany ny hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Marihina fa izao vao afaka notanterahina izy ity, fa tratry ny fihemorana hatrany, noho ny valanaretina Covid-19.
Hanana solontena avokoa ireo ligy fito ka anisan’izany Itasy, izay niforona tamin’ity taona ity. Hanokatra ny lanonana ny fifaninanana isan-tarika, arahin’ireo lalaon’olon-tokana ho an’ny sokajy tanora sy zokiny “veterans”, hatao ny tolakandro. Hanomboka ny 6 janoary, ny lalao fifanintsanana ho an’olon-droa sokajy lahy sy vavy ary hitohy ho an’olona tokana ary hamarana azy, ny lalao iarahan’ny lahy sy vavy “mixte”. Hatao ny asabotsy 7 janoary ny sokajy “séniors” ho an’olon-tokana, sokajy 1ère série, 2 ème série, 3ème série lehilahy, ary ny 1ère série sy 2ème série vehivavy. Ny alahady 8 janoary kosa ny lalao famaranana rehetra.
Fitia (Mpianatra Asa)