Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2022, ho an’ny mpanamory fiarakodia, Andrianjafy Mathieu (Zaza maditra), avy amin’ny klioba ASACM. Nahatratra 392, 20 ny isa azony, nandritra ny taom-pilalaovana. Nandray anjara hatrany i Mathieu, teo amin’ireo «Rallye» miisa fito. Raha tsiahivina, 12, 50 ny isa azony, teo amin’ny Rallye FMMSAMM. 44, 00 indray tamin’ny ASACM , raha 70, 80 teo amin’ny Gojang ary 44, 50 ho an’ny ASA Tana. 90, 00 indray tamin’ny RIM nokarakarain’ny TMF, 60, 00 tamin’ny Tacs ary 70, 40 ho an’ny Ama.
Mbola mpanamorin’ny ASACM hatrany ny nitana ny laharana faharoa, Rabekoto Frederic, nanana isa 391, 60. Fahatelo, Rakotomanga Freddy, nahazo 308, 00. Rakotomalala Andry Tahina kosa ny voalohany ho an’ny mpanamory mpanampy “co-pilote” arahin-dRatrimoarinosy Mick ary fahatelo, Rabenantoandro Jimmy Hugues.
Tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny sokajy SSV indray, Lai Kam Jansen Ginghini, nahazo isa 390, 80. Ny Rallye ASACM ihany no tsy nandraisany anjara. Faharoa, Randriamifidimanana Laza, ary mamarana ny lampihazo i Neveu Patrice.
Ratsimbazafy Willy, ny teo amin’ny “co-pilote” SSV arahin-dRasolofoniaina Tommy Tsiresy ary Bezandry José.
Torcelin