Afafi Afovoany : fampandrosoana ny eny ambanivohitra

Tohanan’ny Fandaha­ranasam-pirenena enti-ma­nondro (PIN) sy ny Tahi­rimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed) ny Fandaharanasa Afafi Afo­voany, ho fanoitra hampiroboroboana ny fambolena eny ambanivohitra.
Misitraka ny fandaharanasa ny faritra Analamanga, Itasy ary Alaotra Mangoro. Miisa 5 455 ny tantsaha mpamboly legioma sy mpiompy akoho nahazo tantsoroka tamin’ny tetikasa Ambioka. Maherin’ny 6 454 taonina ny vokatra lafo, nanatsara ny fidiram-bolan’izy ireo. Niisa 2 812 ny mpiompy trondro anaty tanimbary notohanan’ny tetikasa Ampiana 2. Nahatratra 150 taonina ny trondro lafo, nampiasana teknika manara-penitra, ka nitombo avo roa heny ny voka-bary azo. Na­hatratra 1 249 514 litatra ny ronono lafon’ny mpiompy ombivavy be ronono miisa 1 182 notohanan’ny tetikasa Profilait. Tanjona tamin’izany ny hanatsarana ny fomba fiompiana sy hikarohana la­lam-barotra vaovao.

Fambolen-kazo sy fananan-tany
Ho an’ny fikajiana ny tontolo iainana, nahatratra 4 619 ha ny velarantany voavoly hazo tamin’ny alalan’ny tetikasa Diabe. Miisa 53 454 ny tokantrano nisitraka ny tetikasa, ka nihatsara ny fari-piainan’izy ireo. Nihena ny fanimbana ala sady nihatsara ny fitantanana ny harena voajana­hary.
Mahakasika ny fananan-tany, miisa 16 737 ny karatany nozaraina tao anatin’ny tetikasa Tafita. Teo koa ny fandrafetana ny drafi-panajariana ny tany ho an’ny kaominina, hampirindra ny drafi-pampandrosoana hatao.

Njaka A.

Partager sur: