Olan’ny delestazy : nampanantsoina maika ireo tomponandraikitra

Voaantso teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny minisitry ny Rano sy ny fahadioavana ary ny fidiovana, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, ary ny tale jeneralin’ny Jirama mahakasika ny olan’ny famatsiana herinaratra sy rano.

Voaresaka nandritra ny fivoriana vonjimaika ny tsy maintsy hitondrana vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka hamahana ny olan’ny famatsiana rano sy herinaratra amin’izao fotoana. Tafiditra tanteraka anatin’ny haintany ihany isika izao ka mampihena ny rano ampiasain’ny isan-tokantrano. « Efa nampanantena ny hitadiavana vahaolana haingana mahakasika ny zava-misy aho, antony nampiantsoko ireo tomponandraikitra handinihina ny vahaolana ho tanterahina momba ireo olana ireo », hoy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Hitohy isan-kerinandro ny fivoriana hijerena sy hanarahana ny vahaolana rehetra efa napetraka nandritra ny fivoriana natao. Tsy maintsy mitondra vahaolana ny tomponandraikitra rehefa misy ny olana fa indrindra hitondra ny filan’ny vahoaka malagasy amin’ny fiainana andavanandro, hoy hatrany ny filoha.

Tsy fahampiana
Ambany tanteraka ny tohodrano ao Andekaleka ka mahatonga ny delestazy isan’andro. Marihina fa mahatratra 300 tapitrisa litatra isan’andro ny filàna rano eto Anta­nanarivo, raha 200 tapitrisa litatra monja ny famokarana, izany hoe, tsy ampy 100 tapitrisa litatra. Vahaolana fohy ezaka naroson’ireo tomponandraikitra ny fampitomboana ny fitsinjarana ny rano ataon’ny Jirama eny anivon’ny fokontany samihafa. Anda­lam-pametrahana ireo lavadrano izay hamokatra rano 20m3 isan’andro ihany koa ny fitondram-panjakana sy ny fitarihana rano avy eny Mandroseza. Miara-miasa amin’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro ihany koa ny Jirama hijerena ny hanaovana orana artifisialy, araka ny fivoriana nataon’ireo tomponandraikitra voakasika, ny herinandro teo. Tsiahivina fa mahatratra 30-40 MW ny fahabangana eo amin’ny famokarana herinaratra, izany hoe, 20 ka hatramin’ny 25% amin’ny filàna, izay hita fa tena ambony tokoa.

Henintsoa Hani

Partager sur: