Hiditra lalindalina kokoa amin’ny fifanakalozana ara-barotra i Madagasikara sy Egipta ho an’ny fampiroboroboana ny indostira sy ny fampandrosoana ny firenena. Samy manana vokatra tsara kalitao ny roa tonta ka ahazoana tombontsoa ny fampiakarana ny habetsahan’ny fifanakalozana.
Vonona ny hiara-miasa hampivoatra ny famokarana eto Madagasikara ny Programme alimentaire mondial (Pam) amin’ny alalan’ny tetikasa fanovana haingana ny tontolo ambanivohitra. Hisy ny fotodrafitrasa samihafa hanatanterahina ny tetikasa sy ny famatsiam-bola mitentina 150 000 dolara amin’ny ady amin’ny valala.
Vahaolana amin’ny famatsiana herinaratra an-tanàn-dehibe ny fampiroboroboana ny angovo azo avy amin’ny masoandro. Hametrahana fitaovana hamokatra 350 MW fanampiny eto an-toerana hamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra.
Misanda 5 003,02 Ar ny euro iray, raha 4 542,33 Ar kosa ny dolara, araka ny tarehimarika navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), omaly. Mitotongana ny sandam-bola malagasy. Tsy mifandanja ny fanondranana sy ny fanafarana entana ataon’i Madagasikara. Betsaka ny entana fototra sy solika hafarantsika izay tena hamoahana vola vahiny (devise).