Andekaleka : tsy ampy ny rano, gropy roa sisa no afaka mihodina

Mibaribary ny tsy fahampian’ ny herinaratra vokarina any amin’ny tohodrano Andekaleka. Miantraika mivantana amin’ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo izany.

Avy amin’ny reniranon’ Ivo­hitry, miainga any Andasibe sy ny reniranon’i Fierenana avy any Am­batondrazaka ny rano mamatsy ny tohodranon’Andekaleka. Miisa 4 ny gropy mamokatra herinaratra, saingy 2 ihany sisa no ampiasaina satria tsy ampy rano. Nambaran’ny tale jeneraly lefitry ny Jirama mi­sahana ny Rano, Manda Ny Aina Nomena, fa zara raha 23m3/segondra sisa ny tosiky ny rano, raha tokony ho 48m3/s. Mamokatra herinaratra 38 MW ireo gropy roa ireo raha tokony ho 112MW ny efatra.
Vahaolana noraisina ny fampiasana ny toby mandeha amin’ny solika eny Ambohi­ma­nambola, na dia lafo aza ny masonkarena. Aorian’izany, ho afaka miasa koa ny toby vaovao mandeha amin’ny me­naka mavesatra « fuel », ma­nana tanjaka 105 MW, amin’ ny jona 2025.
Vahaolana fohy ezaka koa ny fandatsahana orana, izay vinavinaina ho feno ny fepetra amin’ny faran’ity herinandro ity.

Tohodrano faharoa
Nomarihin’ny DGA ny Rano fa vahaolana hatao koa ny hananganana tohodrano faharoa any amin’ny toerana avo kokoa noho ilay efa misy, an­kehitriny. Tombanana ho 400 tapitrisa m3 ny hadirin’ny rano ho azo. Any amin’ny faritra, miisa 41 ny toby Jirama narenina, ary mbola misy 12 sisa.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: