Maro ny tombontsoa azo amin’ny fidiran’ny mpandraharaha anaty rafitra na fikambanana hanatsarany ny lalam-pihariana. Misy ny tohana sy tantsoroka omen’izy ireny hampiroboroboana ny fandraharahana. « Hanampy azy hamantarany ny lalàna mifehy ny fandraharahana ny rafitra. Hanatsara ihany koa ny vokatra ataony sy ny lalambarotra azo handefasana entana », hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria, Ranoelimanana Vahinisoa, omaly, nandritra ny fanokafana tamin’ ny fomba ofisialy ny Salon de la créativité Voatra andiany faha-11, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Ankoatra izay, sakana ho an’ny fandraharahana ny olan’ ny famatsiam-bola. Vahaolona aroson’ny minisitera ny hidirana ao anatin’ny varavarana misokatra ho an’ny antontam-baovao eto Madagasikara (PICM). Hita ao avokoa ny antontam-baovao mahakasika ny tsena anatiny sy iraisam-pirenena. Toy ny antontanisa, ny fitsipika sy ny dingana arahina, ho an’ny fanindranana na fanafarana entana any ivelany
Famokarana
Ambohipihaon’ireo mpisehatra samihafa ny « Salon de la créativité Voatra 2024 ». Fotoana hanandratana ny fahaiza-manao sy ny vokatra malagasy hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny efatr’andro hanaovana ny hetsika. Na izany, ilaina ny fanavaozana sy ny famoronana mba hanatsara ny tontolon’ny fandraharaharana sy hampaharitra ny tetikasa. Mamono ny tsena ny fakan-tahaka be fahatany, ka antony hanomezan’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria (CCIA) fampiofanana ho an’ny mpandraharaha. Tanjona ny hanaovany tolotra samihafa eny an-tsena fa indrindra hanànan’ny mpanjifa safidy ary miteraka fifaninanana madio. Mazana mampitovy tolotra sy mihevitra ny mpandraharaha iray fa be mpitady ny vokatra iray rehefa mitovy.
Henintsoa Hani.