Mitombo isa ireo fiarabe mpitatitra sy mpamatsy rano eto Antananarivo. Mbola misy ihany koa ireo andalam-panamboarana. Hojerena akaiky avokoa ireo toerana mila vonjy. Hatsaraina ny fifandraisana amin’ ny vahoaka eny ifotony hampahomby ny ezaka atao, manoloana ny olan’ny famatsiana rano. Vahaolana fohy ezaka ity atao ity saingy mangataka ny fitohizan’ny famatsiana ny rano tsy ho tapaka ny mponina.
Nodorana avokoa ireo fromazy miisa 4377 boaty sy entana hafa iray baoritra lany daty taorian’ny fangatahan’ny orinasa tompon’entana. Nahitana siligaona, bisky, vatomamy, sôkôla ary oliva ilay baoritra. Fepetra noraisina isorohana ny loza mety hahazo ny mpanjifa. Hiaraha-mahalala fa mety mahatonga fanapoizinana ara-tsakafo ny fihinanana entana simba. Natao tany Carion ny fandorana ireo entana efa lany daty.
Miantoka ny fampidiram-bola maharitra ho an’ireo vehivavy ao Ankevo sur Mer ny « poisson fumé » amboariny. Mandalo dingana maro ny fikarakarana ny vokatra ary manana tsiro miavaka izy noho ireo hanitra isan-karazany atao aminy. Mamokatra trondro hatramin’ny 60 kilao isam-bolana ny fikambanana « Vehivavy mitambatra mitsinjo ny ho avy ». Manana ny kitapom-bolany manokana ny fikambanana ka mahavonjy azy ireo amin’ny vanim-potoana tsy fisian’ny asa.