Mitodika mankany amin’ ny fanatsarana ny famokarana ny kaominina Ambolotarakely, distrika Ankazobe. Notokanana ny 2 oktobra teo ny tohodrano nohavaozina, nataon’ny Fandaranasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud). Mahatondraka tanimbary 300 ha ity fotodrafitrasa ity, raha 30 ha teo aloha. Nilaza ny filohan’ny mpampiasa rano, ao amin’ny tambajotra Tsara, Randrianantenaina Jean Claude, fa mahatratra 250 ary mety ho tafakatra 500 ny tokantrano misitraka ny tohodrano raha 30 teo aloha. Vinavinaina ho 100 taonina ny voka-bary ho azo amin’ity taona ity, sady afaka mamboly indroa, raha 20 taonina sady indray mandeha ihany taloha. Nilaza ny solontena lefitry ny Pnud eto Madagasikara, Jean François Dubuisson, fa tanjona nanohanana ny fanarenana ity tohodrano ity ny hampitomboana ny tahan’ny famokarana, indrindra ny vary eto Madagasikara. Eo koa ny fanomezana antoka ny fitantanana ny rano. Mamokatra voly an-tanety koa ny any Ambolotarakely, toy ny voanjobory, tsaramaso, katsaka, sns. Nambaran’ny ben’ny Tanàna, Benjamin Patrick, fa mirona amin’ ny famokarana ny mponina, ankehitriny, taorian’ny tsy fandrampahalemana teo, ka efa milamina ny tanàna amin’ny ankapobeny.
Njaka A.