Fihaonana an-tampon’i Afrika : Solontena i Helisoa Mampionona

Hotontosaina any Addis Abeba, ny 14 hatramin’ny 16 oktobra ho avy izao, ny fihaonana an-tampon’ireo tanora aty Afrika. Hifanakalo hevitra mahakasika ny fitsinjaran-tsakafo sy ny “agroécologie” izy ireo. Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’izany i Madagasikara, ka Andrianarimalala Helisoa Mampionona no hisolontena ny Malagasy amin’izany.
Ny resaka momba ny fandraharahana eo anivon’ny fambolena sy ny fiompiana, manoloana ny krizin’ny toetr’andro, na ny “Entrepreneuriat agroécologique face à la crise climatique” no handraisany fitenenana, mandritra ny hetsika.
“Vonona tanteraka aho ny hanome ny tsara indrindra avy amiko, amin’ity fihaonana ity. Manome toky fa hizara ny traikefako amin’ireo Malagasy izay maniry ny ho lasa lavitra
amin’ity tontolon’ny fandraharahana ity, rehefa tafaverina eto an-tanindrazana”, hoy i Helisoa Mampionona.
Nambarany ihany fa sambany i Madagasikara no tafiditra amin’ity fihaonana goavana ity. Ny fikambanana Alliance for Food Sovereigty in Africa (AFSA), no mikarakara ny fihaonana. Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, izy ireo, omaly, teny Ambohijatovo. Notoloran’ny minisitra vatsin-dalana moa ity vehivavy mpandraharaha ity.

F.R

Partager sur: