Fiantraikan’ny delestazy : matiantoka tanteraka ireo orinasa madinika

Potika ny fihariana. Mi­teraka fatiantoka goavana ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany miankindoha amin’ny herinaratra ny delestazy lavareny. Voatery mampiato ny asany sy miandry ny fiverenan’ny herinaratra izy ireo. Vokany, mihena ny fidiram-bola, tsy afa-manoatra ihany koa fa tsy maintsy miaina ao anatin’ny fahatapahan-jiro lavareny ireo tompona orinasa. “Angatahanay kosa ny fanajana ireo ora fanapahan-jiro mba hahafahana mandamina ny asa ataon’ny orinasa sy ny famokarana”, hoy ny filohan’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM), Rasamimanana Tiana, nandritra ny fanokafana ny “Salon de la créativité Voatra”, etsy amin’ny Kianja Barea Ma­hamasina. Ankoatra izay, nandefa taratasy teny anivon’ny minisiteran’ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra ny SIM mba hanafoana ny haba alaina amin’ny fanafarana ireo “groupes éléctrogènes”. Mbola haharitra, hoy izy, ny olan’ny delestazy, antony nandefasana ny taratasy mba hahafahan’ireo orinasa miomana amin’ny fanafarana ny milina. Atao izany mba hisorohana ny fahasahiranan’ny indostria sy ny orinasa.

Vahaolana
Mahavelombolo ireo mpan­draharana ny tetikasa voalaza tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo. Hapetraka ao Ambohimanambola ny famokarana herinaratra HFO manana tanjaka 105MW izay efa andalam-pananganana. Hiara-miasa amin’ny orinasa LONGi ny fiadidiana ny Re­poblika hahafahana manangana ireo “panneaux solaires” eny amin’ireo renivohi-paritany izay hanana tanjaka hatrany amin’ny 350MW.

Henintsoa Hani

Partager sur: