VAOVAO TAMBATRA

Hojerena ireo tetikasam-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano lehibe, toy ny Mahavola izay hamokatra 300 MW. Eo ihany koa ny ao Antetezambato izay hamokatra herinatra 142 MW, Sahofika 192 MW, Volobe 120 MW. Hamokatra herinaratra 6MW ny riandrano ao Mandraka, 56 MW ho an’Ambodiroka, 10,5MW ho an’Ankelimahery raha 56,6MW kosa ho an’i Talaviana. Vahaolana lavitr’ezaka saingy mahomby ho an’ny famokarana herinatra.
Miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Mahatratra hatrany amin’ny 3 800Ar ny kilaon’ny vary afarana raha eo anelanelan’ny 3 200Ar sy 3 400Ar ny vidim-bary eto an-toerana, toy ny makalioka sy manalalondo. Tsy tomombana ny fizarana ary giazan’ny mpamongady sy mpanangom-bokatra sasany ny vary. Manomana paikady hanoherana ny zava-misy ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra.
2,358 tapitrisa taonina, izay mitentina 3 407,9 miliara Ar, ireo akora fototra nafaran’i Madagasikara tao anatin’ny valo volana voalohan’ny taona. Mahatratra 956 500 taonina ny fanafarana angovo, izay mitentina
2 665 miliara Ar, raha misanda 2 645,7 miliara Ar ho an’ireo fitaovana samihafa 120 800 taonina nafarana. Avy any Sina sy Moyen-Orient ary ny Vondrona eoropeanina ny ankamaroan’ireo entana nafarana. Nahatratra 2 400,9 miliara Ar kosa ny vola niditra tao amin’ny fadintserana nandritra ireo fotoana ireo.

Partager sur: