Kaominina Ambato : hampandrosoina ny tontolo ambanivohitra

Kaominina ambanivohitra nisedra olana sy tsy nahitana fampandrosoana tao anatin’ny taona maro ny ao Ambato, disitrikan’Ambohidratrimo. “Taraiky amin’ny lafiny maro io kaominina io raha oharina amin’ny hafa any an-toerana”, hoy Rakotondravao Sarobidy. Vinany ny hampandroso ny tantsaha sy ny tontolo ambanivohitra ka antony nandrisika azy hiro­tsaka ho fidina ben’ny Tanàna. Anisan’ny nisedra olana ny tantsaha sy ny mponina any an-toerana. Olana hafa ihany koa ny sehatry ny fampianarana sy ny fitsaboana ary ny fahara­tsian-dalana hitaterana ny vokatra. Nambarany fa ahafahana mitondra anjara biriky hanarenana sy hampandrosoana ny tanindrazana izao. Amin’ny alalan’ny fanatsarana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, toy ny fanohanana masomboly sy zezika ary fampiofanana ireo tantsaha. Nohamafisiny fa raha mandroso ny tantsaha sy ny vahoaka ifotony dia azo antoka ny fandrosoan’i Madagasikara. Mpitarika fikambanana Hasin’ny zaza manga sy efa mpanao asa soa nandritra ny taona maro izy. Nahazo tohana avy amin’izy ireo, indrindra ny tantsaha sy mpianatra. Tamin’ny alalan’ny fizarana fitaovam-pianarana sy fananganana sekoly tao Antanetibe Zazamanga

.
Mino

Partager sur: