Asa fanoratana : maty i Françoise Bourdin

Nodimandry ny 25 desambra 2022, tao amin’ny trano fonenany tao Eure ao Nor­man­die Frantsa, teo amin’ny faha 70 taonany i Françoise Bourdin . Isan’ny mpanoratra Frantsay nanana ny naha izy azy. Ny fanoratana asa soratra miresaka ny fitiavana ny tena nanahafantarana azy. Asa so­rany nivoaka farany ny “Un si bel horizon”, izay vao ni­voaka tamin’ity taona ity. Boky navoakany farany kosa ny “Face à la mer” sy ny “Les Choix des autres”, ny taona 2016 sy 2017. Asa soratra aman’apitrisany, Boky manodidina ny 50 isa no nahitam-pahombiazana tamin’ny na­voakany. Mpano­ratra isan’ny be mpankafy manerantany izy, indrindra ao Frantsa. Na­hazo ny laharana faha-6 izy amin’ny mpanoratra be mpamaky indrindra ny asa sorany ary be mpividy indrindra ny boky nosoratany ny taona 2016. Fanasokajina nataon’ny gazety frantsay iray.
Teraka ny taona 1952, tao Paris Frantsa i Françoise Bour­din. Zanaka olona mpihira amin’ireny “Opera” ireny izy. Mijery ny ray aman-dreniny eny ambony sehatra no nandaniany ny fahazazany. Lina tamin’ny famakina boky anefa izy teo amin’ny fahatanorany. Tamin’izany no ni­haonany tamina mpanoratra malaza, tamin’izany andro izany ary nahalasa mpanoratra misongadina azy.

Lin (mpianatra asa)

Partager sur: