AFT Andavamamba : hanokatra ny “seho 2023” i Mirado sy Reko Band

Hamarana ny fankalazana ny faha-75 taonany ny Alli­ance Française Antananarivo. Homarihana amina fampisehoana, izay hanokatra ny taona ihany koa anefa izany hoan’ity ivotoeram-pampianarana sady ivon-kolontsaina etsy Andavamamba ity. Nosa­fidian’izy ireo hiray sehatra amin’izany i Mirado sy ny Reko Band, ny asabotsy 7 janoary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Mpanakanto samy tanora ary samy manana ny lazany amin’izao fotoana izao izy ireo. Na dia eo aza anefa izay laza efa mitoetra izay, ho maimaimpoana ity fampisehoana ity. Noho ny toerana voafetra anefa, hisy ihany ny tapakila izay alaina mialoha hoan’ireo mpankafy sy ireo liana.
Tsy vahiny amin’ny AFT Andavamamba, satria anisan’ireo nanafana ny “Fête de la musique” ry Fy Rasolofo­niaina sy ny ekipany. Efa lava dia lava ny lalany taorian’izay, ka manam-baovao hozaraina hatrany ry Reko Band. Toraka izany koa i Mirado, izay efa nanoritra ny lalany mankany amin’ny maha matihanina, taona maromaro lasa izao. Tsy ilay Mirado nanolotra ny fandaharana hoan’ny ankizy tao amin’ny TVM, izay vao notsiahivina tamin’ny sabotsy intsony, fa ilay Mi­rado feno fahamatorana anaty mozika, izay vao avy noporofoiny tamin’ireo hira vaovao navoakany tato ho ato izany. Ho an’ireo liana amin’izay fivoaran’ny tarika roa tonta izay indrindra ity fampisehoana voalohany amin’ny taona 2023 ity.

Zo ny Aina

Partager sur: