Kitra – «Chan 2023»: niala tao amin’ny Barea i Tsilavina (Drogba)

Toe-javatra sady mahamenatra no mampalahelo no nitranga teo anivon’ny Barea Chan, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nandao ny namany ary tsy ho anisan’ireo ho any Alzeria, i Tsilavina (Drogba). Noho ny tsy fanekena ny fitsipi-pifehezana ny antony.

Nambaran-dRakoton­drabe Romuald Felix (Roro), mpanazatra ny Barean’i Madagasikara, hiatrika ny Chan 2023, omaly, fa tsy anisan’ireo mpilalao handeha hiatrika izany fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, tanterahina any Alzeria izany, i Tsi­lavina (Drogba), mpilalaon’ny Fosa Jr Boeny.
Nomarihiny fa nanala ny tenany izy satria mihevitra fa ambonin’ny rehetra ka tsy azo fehezin’ny fitsipika ao anatin’ny ekipam-pirenena. Ny asabotsy 24 desambra no nitrangan’ny tsy fifanarahana teo aminy sy ny mpanazatra, tany amin’ny ivontoeram-piofanana any Carion, toerana hanaovan’ny Barea fampivondronana sy fanomanantena.
Nangonina tamin’io fotoana io ny pasipaoron’ireo mpilalao rehetra. Ny an’i Tsilavina irery no tsy tany aminy fa hadino any an-tranony satria izy mipetra-drery ka nangataka ny haka izany. Nanome lera ny mpanazatra fa tsy maintsy tafaverina alohan’ny amin’ny 7 ora hariva izy. Tsy nitranga anefa ny tovolahy ka voatery niantso azy an-telefaonina ny mpanazatra saingy tsy nandray izy.
Alimbe vao niverina i Tsilavina

Efa tamin’ny 10 ora alina vao tafaverina tany Carion ity mpilalaon’ny Barea ity, niaraka tamin’ny olona roa sy vehivavy iray miaraka amin’ny zazakely. Nisava ny kitapony ny mpanazatra ka nahita tavoahangy misy toaka. Tsy vitan’izay fa mbola niditra tao amin’ny efitranony ihany koa ireo vahiny niaraka taminy.
Nilaza ny mpanazatra fa tokony halefa mody ireo olona ireo, raha tsy izany dia ity mpilalao no mandeha. Taorian’ izay, tsy nisalasala fa avy hatrany dia naka ny entany i Tsilavina ka nivoaka ny trano niaraka tamin’ireo vahininy. “Mijanona amin’ireo 25 ireo sisa ny mpilalao fa tsy afaka miantso hafa intsony”, hoy i Roro, mpanazatra.
“Aleo hazava tsara fa ato amin’ny Barea, tsy misy mpilalao tsy azo esorina na avy hatrany dia tompon-toerana. Marina fa anisan’ireo mpilalao nahatafakatra ny Barea amin’ny Chan 2023 i Drogba, saingy tokony hanaraka ny fitsipi-pifehezana fa tsy hihevitra ny tenany ho ambonin’ny re­hetra”, hoy hatrany i Roro, namarana ny fanazavany.

Tompondaka

Partager sur: