Rencontre des dirigeants : Tosika ho amin’ny fandraharahana

Fahombiazana. Nizara traikefa sy namelabelatra ireo foto-kevitra sy paikady ary fomba fanaon’ireo mpanao fanatanjahantena matihanina eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana, ny sabotsy teo, teny amin’ny Club Olympique de Tananarive (Le COT) Ankadikely Ilafy, ny Dr Fabrice Lollia. Notsindriny manokana fa « ilaina ny fifantohana sy fahavonona hahombiazan’ny fandraharahana sy ny fitantanana orinasa ». Maro, hoy izy, ny tombontsoa amin’ny fivoizana ny toe-tsain’ireo mpanao fanatanjahantena matihanina eo amin’ny fandraharahana. Mila omen-danja ny tsirairay mba hahafahana mandroso sy miatrika ny manodidina fa indrindra ny hahazoam-bokatra. Mila jerena ihany koa ireo ambana mety hiseho sy paikady apatraka hanatsarana ny vokatra. Takina ao anatin’ny fitantanana ny fahaiza-miaraka amin’ny ekipa, ny faharetana, ny fikirizana ary ny fifanajana. Marihina fa voamarina sy azo tamin’ny alalan’ny fikarohana siantifika avokoa ireo foto-kevitra novoaboasany mba hipaka mivantana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana.

Traikefa
Nizara ny traikefany tamin’ireo mpandraharaha 20 nandray anjara tamin’ny hetsika nokarakarain’ny Peak Busi­ness Partner, Rakotozafy Rosa, atleta matihanina sy nitondra ny voninahi-pirenena teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. « Mifameno ny fanatanjahantena sy ny asa. Mila tazomina ao an-tsaina ny kolontsaina hahazo vokatra », araka ny fanazavany.
Samy miaina anaty fifaninanana ny mpandraharaha sy ny mpanao fanatanjahantena matihanina. Mila mifantoka amin’ny tanjona apetraka ny mpandraharaha hampahomby sy hampaharitra ny fitantanany.

Henintsoa H.

Partager sur: