Nisento tokana indray ny mponina teny Ambohimitsimbina taorian’ny fahatraran’ny polisy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo ireo jiolahy raindahiny, omaly atoandro. Isan’ireo jiolahy nampitondra faisana teny Ambohimitsimbina sy ny manodidina iny ry zalahy ireto, araka ny tatitra nampitain’ny polisy. Malaza ratsy amin’ny halatra miharo herisetra sady mampiasa fitaovam-piadiana. Manoloana izany, maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ireto jiolahy ireto. Nisy araka izany ny paikady manokana napetraky ny polisy miandraikitra iny faritra iny mba hisian’ny fandriampahalemana. Nametrahana polisy nanao fanamiana sivily mivezivezy amin’ireo toerana ahina ho fieren’ireo jiolahy sy fanaovany ny asa ratsiny. Nahitam-bokany izany, vehivavy iray no narahina jiolahy roa teo Ambohimitsimbina. Tsikaritr’ireo polisy efa niatrana teny an-toerana anefa izany ka noraisim-potsiny ry zalahy. Nahitana basy revolver iray sy bala roa teny amin’izy ireo nandritra ny fisavana.
Jean Claude