Anisan’ny valanjavaboahary marefo ny ala maina an’Ankarafantsika. Misy ny tetikasa hiarovana azy, iarahan’ny mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy iraisam-pirenena.
Nampahafantarina ny 23 oktobra teo ny tetikasa «Ala maiky Ankarafantsika», entina hanamafisana ny fiarovana ny alan’Ankarafantsika, tantanin’ny Madagascar National Parks (MNP). Famatsiam-bola manokana avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny faritra arovana sy ny karazan-javamananaina eto Madagasikara (FAPBM), ny Banky alemà ho an’ny fampandrosoana KFW sy ny ONG Amerikana Conservation Alliance ary ny Fondation Hempel.
Hitondra vahaolana maharitra hiarovana azy ny tetikasa «Ala maiky Ankarafantsika», ifandrombonan’ireo mpiara-miombon’antoka maro ireo. Anisan’ny hifantohan’ny tetikasa ny hanamafisana ny fiarovana ny ala maina Ankarafantsika, amin’ny fitantanana sy ny ady amin’ny doro ala sy tanety. Hotohanana ny fametrahana sy ny fampiharana ny Dina. Eo koa ny famerenana ny ala sy ny tontolo amin’ny laoniny. Hisy ny fampiroboroboana ny fizahantany ara-tontolo iainana. Tohanana ny velon-tenan’ny mponina. Tanjona ny hanafoanana tanteraka ny fandripahana ny ala any an-toerana amin’ny taona 2027, faharetan’ny tetikasa.
Toerana manan-danja
Manana ny lanjany ny Valanjavaboahary Ankarafantsika. Tafiditra ao anatin’ny Vakoka iraisam-pirenen’ny Unesco amin’ny maha ala maina azy. Voasokajy anatin’ny Faritra mando Ramsar, noho ny fisian’ ny farihy manankasina Ravelobe, sady fonenan’ny karazam-borona sy trondro tsy fahita firy maro.
Amin’ny lafiny toekarena, loharano manondraka ny tanimbary any Marovoay, anisan’ny sompitr’i Madagasikara, ny ao Ankarafantsika. Eo koa ny lafiny kolontsaina, satria maro ny toerana manana ny hasiny any an-toerana. Tandindomin-doza anefa ity ala maina ity, satria miha mirongatra ny doro ala sy tanety ataon’ny mponina, nahatonga ity tetikasa ity.
Njaka Andriantefiarinesy