Tranoben’ny Tantsaha : fanamafisana ny fiofanana ho an’ny mpikambana

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François, ny delegasiona notarihin’ny fi­lo­han’ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra, Razafim­bololona Angeline, ny 23 oktobra teo. Nangataka fiaraha-miasa sy tohana avy amin’ny minisitera ity fikambanana ity hanamafisana ny fampiofanana ny mpikambana, entina hampitomboana ny vokatra. Nambaran’ ny minisitra fa hisy ny fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny fambolena sy fiompiana (Forum international de l’agriculture). Anisan’ny ho hita mandritra io hetsika io ny lafiny fanodinam-bokatra, sehatra hanomezan-danja ny mpamokatra. Fotoana hampivondronana ny tantsaha, hamolavolana ny rafitra ara-pamokarana, entina hampiakarana ny taham-bokatra.
Eo koa ny fakan-kevitra eo amin’ny fianakaviamben’ny tantsaha, ny sehatra tsy miankina ary ny mpiara-miombon’antoka. Tanjona ny hampandrosoana ny tontolo ambanivohitra amin’ny seha-pamokarana samihafa, ary ahafahan’i Madagasikara manondrana any ivelany.
Vovonana ivondronan’ny fikambanan’ny tantsaha anarivony ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra, miparitaka any amin’ny faritra miisa 18.
Marihina fa vao lany voafidy hitantana ny Tranoben’ny tantsaha mpamokatra mala­gasy (TTMM), mandritra ny 6 taona indray Razafimbololona Angeline, ny fiandohan’ny septambra teo.

Njaka A.

Partager sur: