VAOVAO TAMBATRA

Vonona hamokatra angovo avy amin’ny
fanodinana fako ny orinasa Cambridge Industries. Manodidina ny 150 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola hataony, hamokarana angovo 50 MW, ka avy amin’ny fako eny Andralanitra ny 20 MW, raha avy amin’ny masoandro ny 30 MW. Mahatratra 7 500 ny asa hiforona amin’izany. Nisy ny fihaonan’ny mpitantana ny orinasa tamin’ny filoha Rajoelina Andry, ny alakamisy 24 oktobra teo.

Am-pifandrifiana ao anatin’ny Politika
ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny lafiny angovo madio. Entina hanatrarana ny Tanjon’ny fampandrosoana maneran-tany ODD7, ny angovo madio sy maharitra, maoderina amin’ny vidiny takatry ny rehetra. Hirosoana ny fandrahoan-tsakafo amin’ny angovo madio, mba hialana amin’ny fandripahana ala, ny fahalotoan’ny rivotra, hampihenana ny tahan’ny Malagasy maty vokatry ny fampiasana kitay sy saribao.

Nandray anjara tamin’ny Fifanarahana
iraisam-pirenena mahakasika ny karazan-javamananaina “Cop16”, natao tany Cali Colombie, ny fikambanana tanora Malagasy Youth Biodiversity Network (MYBN). Navoitran’ny solotenany nandritra ny famelabelaran-kevitra fa manana ny anjara toerany lehibe ny tanora amin’ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena sy ny drafitrasa mahakasika ny zavamananaina (SPANB) aty Madagasikara.

Partager sur: