Noho ny fitarainan’ny mpijery baolina kitra ao Mahajanga, mahakasika ny fahasimban’ny kianja Rabemananjara, namaly ny hetahetan’izy ireo ny filohan’ny Repoblika Malagasy, Rajoelina Andry, amin’ny fanamboarana izany. Asa izay efa natomboka tamin’ny alatsinainy 26 desambra lasa teo.
Marihina fa ny tomponandraikitra ao amin’ny kianja Rabemananjara OGSR (Organe de Gestion de Stade Rabemananjara) no manara-maso akaiky ny fizotran’ny asa. Mandritra ny enina herinandro ny asa fanamboarana ka orinasa tsy miankina iray no manantanteraka ny asa fanarenana. Araka izany, hikatona mandritra ny fotoana hanamboarana azy ny kianja Rabemananjara.
Araka ny fanazavan‘ireo tomponandraikitra, hoesorina tanteraka ilay bozaka artifisialy teo aloha, ary hosoloina vaovao. Nambaran’ny tomponandraikitra fa mety amin’ny volana janoary no ho tonga izany bozaka artifisialy izany. Haverina hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena izany fotodrafitrasa izany, mba ho afaka handray lalao iraisam-pirenena, toy ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), izay hatao eto Madagasikara.
Azo heverina izany ny hiverenan’ny klioban’ny Fosa Junior sy ny Tsaramandroso FC, handray ny tohin’ ny lalao amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL) any Mahajanga indray. Tsiahivina fa ireo ekipa roa ireo, izay tsy afaka nampiantrano ny lalaon’izy ireo tany Mahajanga, noho ny fahasimban’ ny kianja Rabemananjara.
Fitia (Mpianatra Asa)