Hanohana ny fikarohana siantifika sy hanampy amin’ny fampitana izany ho an’ny daholobe ny Telma Madagascar sy ny Axian University amin’ny alalan’ny fandaharanasa Masterclass.
« Tanjona ny hampiroboroboana ny seraseran’ireo voka-pikarohana sy hanampiana ireo mpikaroka hampahafantatra izany », hoy ny tomponandraikitry ny Telma, Randrianjatovonarivo Mamy Henintsoa. Noho izany, manao fiofanana mandritra ny roa andro, nanomboka omaly, eny amin’ny Campus Andraharo, ireo mpikaroka sy mpisehatra samihafa. « Hanampy amin’ny fampitana ny voka-pikarohana sy ahafahan’ny rehetra mahazo azy ny fandaharanasa», hoy ny Pr Andriamaniraka Jaona Harilala, talen’ny fikarohana eo anivon’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres), omaly, nandritra ny fampahafantarana ny fandaharanasa teny amin’ny Telma Andraharo. « Lokanady ho anay sy ny firenena ny fanohanana ireo ekipan’ny minisitera mandritra ny fampiofanana azy ireo, mba hahafahany mampita ireo voka-pikarohana mazava sy ho azon’ny rehetra », hoy ny tale jeneralin’ny Axian University, i Carolina Meurisse. Notohizany fa voninahitra ho azy ireo ny hanohana ireo mpikaroka sy hizara ny fahaiza-manaony ary ny traikefany mba hitondra vokatsoa eo amin’ny fikarohana. Anisan’ ireo lohahevitra hovoaboasana mandritra ny atrikasa atao ny serasera, ny fanabeazana. Hitondra fanazavana mahakasika ny fomba hampitana ny voka-pikarohana siantifika ataon’ireo mpiantsehatra ihany koa ireo matihanina.
Henintsoa H.