Tsipy kanetibe – Mondial Junior: Nanainga omaly ny ekipa malagasy

Nihazo an’i Espagne, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy sokajy “junior”, taranja tsipy kanetibe. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, tanterahina ao amin’ny Kianja Santa Suzana, ny 30 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra ho avy izao, izy ireo. Efatra mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’ity dia i Anjara sy i Nomena ny vehivavy ary i Clarito sy i Elio ny tovolahy.
Raha tsiahivina, ny taona 2025 no tompondaka maneran-tany ho an’ny vondrona rehetra ny malagasy, tamin’ny alalan’ny fanatambarana isa. Ankoatra izay, nandrombaka ny medaly volamena teo amin’ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy ary tompondaka maneran-tany lefitra ho an’ny olon-telo miaraka. Hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelantanany, araka izany, ny Malagasy amin’ity. Marihina fa araka ny lalàna napetraky ny Federasionina iraisam-pirenena, tsy maintsy misy vehivavy ao anaty ekipam-pirenena ka 2 lahy ary 2 vavy. Vonona tanteraka izy efatra mianadahy hiatrika ity fifaninanana ity, ary manao fanamby ny hitondra indray ny amboara hody an-tanindrazana.

Tompondaka

Partager sur: